Jean-Joseph Rabearivelo
Ny alahelon'ny olombelona
Injay manako moramora,
toa ra mipololoatra,
feo kely feno akora,
sady latsa mafy loatra.
Mitampody indray ny lasa,
ka mamoha ny efa maty,
zava-bery tsy voakasa
sady vata hoboka aty.
Ao ny sasany tomany,
ao koa ny ketra-po!
Hisentoako eto izany,
holazaiko ny manjo.
Fo kely iray maratra,
notsaingohim-boron-tiana,
hafaliana mahazatra,
izao re itomaniana!
Voron-kely nantenaina
hiaraka ory, hiara-paly,
kanjo dia naningotra aina,
kanjo koa nampijaly.
Safosafo tonga hoho,
tonga ratra sady fery;
hasambarana miamboho,
mba tadiviko, ka miery!
– Vata vola tsisy vody,
tsangambato very laza,
sambo vaky tsy ho tody:
ray sy reny maty zaza!
Voninkazo nokoloina,
nefa kosa ka nalazo!
Rehareha namboloina,
vao tazana dia tsy azo!
Ho lo ny ra sy ny nofo,
'zay nafindra tamin'iny!
Ny hafaliany mantsy hiofo,
ho tadidy ny fahiny!
– Voron-kely rava akany,
Zanak'ondry dia manjeny,
singan'aina ambony tany:
Ikala maty ray sy reny.
Bodo zatra tambitamby,
sy tamana angotingoty,
vao maraina dia somamby
izany andron'ny kamboty!
Andry roa re ka lavo,
hantahanta, aiza intsony!
Ny fo mangorak'ilay Avo,
no sisa hampitony!…
Aia kosa re, ry tany,
izay mba mamy entinao?
Sa toloko sy tomany
no hitana lava izao?
O! afero sy mangidy,
izany hiany no fisotro,
simbanao ny saro-bidy,
nitokiana sy nitrotro!
Nantenain-ko Paradisa,
ny fotoananao tontolo,
kanjo tany hay madisa,
feno angatra sy lolo!
– J.-J. Rabearivelo
Fasana faharoa
Ilay fasako, fasako ihany
fa ny foko dia fasana koa!
Io no fasako ivelan'ny tany,
io no fasako iray faharoa!
Tsy mba vero na mba rangolahy
no manafina io fasana io –
fa ny foko zary manahy
no mandrakotra omaly sy anio.
Sentosentoko mamelovelo,
ranomaso, toloko tsy tana –
Izy ireny no sarin'avelo,
mitampody ka sarotra ialana!
Ao ny nofy novolavolaina,
izay nisinda nalaky, tsy hita!
Ao no rendrika ilay nantenaina,
ilay sambo nataoko ho tafita!
Ao ny tsantan'ny andro taloha
sy ny hiran'ny fahazazako
no miverina ka tsy mifoha,
na miverina mba hitondra ako!
Ao ny zava-drehetra voakasa,
saingy simba, ka very tadidy!
Ao ny taolan'ny androko lasa,
sy ny ora tsy masi-mandidy!
Ao ny nofo nikipaka mora,
ao ny maty daholo daholo!
Ao malazo na mbola tanora,
ka mianjery tsy mana-mpisolo!
Ilay fasako, fasana ihany,
fa ny foko dia fasana koa!
Io no fasako ivelan'ny tany,
io no fasako iray faharoa!
– J.-J. Rabearivelo